Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny Ambohibao Antehiroka, omaly naraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy 12 minitra. « Môtô jog » iray nirimorimo mafy tao anaty fiolanana sy fiakarana, izay nandeha « sens interdit » no nifatratra tamina fiara fitateram-bahoaka iray nidina hihazo an’ Ambohijanahary. Raha avy Ambohibao dia teo amin’ny fidinana ho an’i Mamamba ambony kelin’ ny Ceg no niseho ny loza, ka potika tanteraka ilay « scooter » ary naratra mafy ilay mpitondra moto. Araka ny fantatra, dia tovolahy mipetraka eny amin’ny manodidina ihany ity tra-doza. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo mponina manodidina, dia matetika itrangana loza ny amin’ity làlana ity, satria dia betsaka amin’ ireo mitondra moto, bisikileta, kalesa, sarety, eny hatramin’ny fiara no manao fanahy iniana manitsy eo, na dia fantatra izao aza ny fisian’ny takela-by manambara fa làlana « sens unique » mampidi-doza ny manitsy miakatra eo.
Eric Manitrisa