Miezaka amin’ny fametrahana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina ny polisim-pirenena izao, ka isany anaovan’izy ireo ezaka mafy ny mikasika ity fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina ity. taorian’ny fahatrarana ireo basy sy bala marobe farany teo, dia tsy mety resy ireto andian-jiolahy ireto fa misy hatrany, ka misy ny ezaka izao. Vokany tratran’ny polisy ireo roa lahy isan’ny jiolahy nanafika ilay mpanao “Cash Point” tao Bazary kely farany teo izay nataon’ny jiolahy telo nirongo basy PA avy tamin’izany, dia tsy iza fa i Jacky 20 taona sy Jarison 19 taona izy tratra ireto. Ankilan’izany, dia saron’ny polisy koa ireo roa lahy isan’ny jiolahy nanafika ilay ramatoa hanatitra vola amin’ny mpampiasa azy tao Tanambao I, izay nahavoatifitra ilay ramatoa tamin’ny feny raha niaro mafy ny vola teo aminy ny tenany ka tsy azon’ireo andian-jiolahy tamin’izay. Mbola samy nitondra basy izy efa-dahy tamin’izany raha ny angom-baovao marim-pototra. Tamin’ny fahatrarana azy efa-dahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto izao, dia tsy nisy aloha ny basy tratra izay fantatra araka ny fanazavana fa basy hofaina izy ireo ka eo am-pikaroahana izany mpampanofa basy izany ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina izao; izay hitambaran’ny polisy sy ny zandary manao raha ny vaovao. Ankoatra izany, dia mbola manao antso avo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny andrimasom-pokonolona ary ireo mpanome vaovao hatrany ny polisy momba ity resaka filaminam-bahoaka eto Toamasina ity.
Malala Didier