- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIkongo : Mpianaka nahatratrarana lavanila maitso 30 kg

Ikongo : Mpianaka nahatratrarana lavanila maitso 30 kg

Tsy any amin’iny faritra Sava iny ihany no manjaka ity resaka halatra lavanila maitso ity. Ny alahady lasa teo tokoa mantsy dia lehilahy roa, mpianaka no tratran’ny pôlisy tao Ikongo, nangalatra izany « volamena maitso » izany tao Sahalagnary. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena dia efa ela izy mianaka ireto no nangalatra ilay lavanila ary saika entin’izy ireo tany Fianarantsoa. Efa tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana ary fantatr’ireto mpangalatra ihany koa ka tsy sahy nanohy ny diany intsony izy ireo. Teo anatrehan’izay dia nisy ny fanadihadiana natao sy ny fikarohana azy ireo, ka tsy ela dia tratra tao an-tranon’ilay raim-pianakaviana ireto lavanila ireto. Efa vita lamina tsara tao anaty kitapo fitondra mandehandeha ireny ireto lavanila milanja eo amin’ny 32,5 kg ireto, hoy ny vaovao, ary angamba miandry fotsiny ny filaminandamin’ny raharaha dia saika havoaka amin’izay. Kanjo dia izao tratra izao ny nafenina. « Niaky ny heloka vitany izy mianaka ireto nandritra ny famotorana ary nanambara fa efa ela no nanaovan’izy ireo izao asa ratsy izao ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici