- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Tsarasaotra : Misy manakan-dàlana sy mitoraka

Lalam-baovao Tsarasaotra : Misy manakan-dàlana sy mitoraka

Raha ny faran’ny herinandro teo fotsiny dia efa maro ireo lasibatra tamin’iny làlam-baovao mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato iny. Voasakan-dàlana sy voatora-bato ny ankamaroany. Simba fananana aloha hatreto ny ankamaroany, saingy raha mitohitohy izany ka tsy mbola misy ny fandraisana andraikitra dia mety hanaraka hatramin’ny ain’izy ireo mihitsy.

Raha ny fitantaran’ireo izay voa aloha dia manodidina ny amin’ny sivy ora alina eo no tena manao ny ataony ireo olon-dratsy. Migodana ny lalana saingy somary misy lobolobo ihany ny amin’ny sisiny ka eny amin’ireny ireto farany no miafina. Miandry kendry tohina ireo fiara sendra mandeha irery. Mazàna hoy izy ireo dia manodidina izany ranobe izany ny toerana famelezan’ireo olon-dratsy, manandrify indrindra ny sampanana mandeha any Ambodifasina. Misy andiany maromaro izy ireo, ary mivonona mihitsy ny hamely izany mianan-kendry mijanona manoloana ny tora-bato mandrivorivo ataon’izy ireo amin’ny fiara. «Tena olon-dratsy ireo fa tsy hoe olona misotasota fotsiny ihany. Hita mihitsy mantsy fa rehefa avy mitoraka izy ireo ka mahavoa dia mipoitra anaty lobolobo hiafenany, miandry fotsiny hoe nijanona ve ilay fiara sa tsia. Raha olona hisotasota fotsiny mantsy dia mitsoaka avy hatrany rehefa mahavoa »  hoy ny fitantaran’ity raim-pianakaviana iray isan’ny nanana fiara vaky fitaratra vokatry ny tora-baton’ireo olon-dratsy, ny alin’ny alatsinainy teo. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra araka izany ireto mpampiasa làlana ireto hijery akaiky izany tranga izany. Mitebiteby fatratra mantsy ireo olona tsy maintsy handeha hody ka hindrana iny lalam-baovao iny amin’ny alina. Lalana izay, hatramin’ny nisokafany, efa nahenoana karazana tranga isan-karazany sahady : manomboka any amin’ny lozam-pifamovoizana ka hatramin’ny fisiana matoatoa sy angatra, ary dia izao misy mpanakan-dalana izao indray.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici