- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Manamboninahitra ambony nosamborina

Kidnapping : Manamboninahitra ambony nosamborina

Fanapahan-kevitra maromaro no indray noraisina taorian’ny fandalovan’ny Praiminisitra tany Tsaratanàna mba hijery ifotony ny momba ny raharaha fakàna an-keriny nisesisesy hatramin’ny taon-dasa teo ary mbola mitohy hatramin’izao. Isan’ny nivaingana tao anatin’izany ny fahasahian’ny mpanao fanadihadiana nisambotra ny manamboninahitra ambony (officier supérieur) iray eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tazonina eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana heloka bevava io tompon’andraikitra io. Firaisana tsikombakomba sy fiarovana an’ireo mpanao ratsy no isan’ny vesatra anenjehana io ofisien’ny zandary io. Ankoatra izay dia isan’ny tapaka koa ny hanomezana fankasitrahana ho an’ny olona tsara sitra-po manome vaovao marim-pototra momba ireo atidoha nikotrika ny kidnapping ao Tsaratanàna. « Del » sy « Tersa », solon’anaran’ireo mpanao ratsy izay karohina mafy amin’izao fotoana. Omena roa tapitrisa ariary, raha araka ny fanampim-baovao nomen’ny zandary, ny olona manampy amin’izany. Notsipihan’ny mpiandraikitra ny seraseran’ny zandary fa mbola hisy koa ny fisamborana manamboninahitra sivily sy mpandraharaha sasantsasany ato ho ato momba ny raharaha kidnapping hatrany. Tany an-toerana dia nanapa-kevitra ny Praiminisitra ny amin’ny hanampiana an’isa ireo zandary miasa eo anivon’ireny « poste avancé » ireny. Isan’ny tao anatin’ny fanentanana ny olona koa ny tsy fisalasalana mba hametraka fitoriana ny mpitandro ny filaminana eo anivon’io vondron’ny zandarimariam-pirenena io avy amin’ny alàlan’ny adiresy mailaka doleancesgendarmerie@gmail.com na koa ny fiantsoana mivantana ny laharana 0341401388. Efa nahitam-bokany sahady io fandrisihana ny olon-tsotra mba hilaza ny tsy mety io. Avy amin’izany ohatra no nampidoboka am-ponja zandary iray tay Morafenobe ary koa tany Bemarivo. Ny iray dia voarohirohy ho nikasi-tànana tsy araka ny lalàna ary ny faharoa kosa dia naka zaza tsy ampy taona an-keriny noho ny hamamoan’ny ray aman-dreniny. Raha mitohitohy ny fandraisana fepetra toy izao dia mba misy tsirim-panantenana ihany ny fiverenana tsikelikely amin’ny fanjakana tsara tantana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici