- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Mitombo isa ireo zaza tsy ampy taona mivaro-tena sy mitarika...

Manakara : Mitombo isa ireo zaza tsy ampy taona mivaro-tena sy mitarika posy

Fahantrana mahazaka maniraka, ary ny kibo tsy mba lamosina, hoy ny fiteny mahazatra. Raha ny zava-misy ao an-tampon-tanànan’i Manakara, renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany, dia mitombo isa ary tsy mitsaha-mitombo ankehitriny ireo zaza tsy ampy taona mivaro-tena (antsoin’ny olona hoe : andràdrà), ka misy amin’ireo tovovavy kely ireo no mbola tsy vory tratra (tsy misy nono), izay manodidina ny folo taona eo. Raha nanontanian’ny mpanao gazety nandritra ny fanadihadiana natao tany an-toerana, ny sasany tamin’ireo ankizivavy mpampanofa fahafinaretana, dia fa vokatry ny fahantrana sy ny tsy fisiana ary ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny no manosika azy ireo hanao an’ity asa tranainy indrindra eto ambonin’ny tany ity, satria hono vola malaky sady tsy mila « diplôme » ny manao makorely. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia misy mihitsy ny ray aman-dreniny sasany no manosika an-janany hivaro-tena, na dia tsy safidin’ilay zaza ny hanao izany, satria raha amin’ny taonany dia mbola tokony ho an-tsekoly ireo zaza. Ho an’ny tovolahy kely niala fianarana mialoha kosa, ka efa miroso sahady mikarama, dia ny mitari-posy no maharoboka ny maro amin’izy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici