- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFanamparam-pahefana : Zandary roa indray nadoboka am-ponja

Fanamparam-pahefana : Zandary roa indray nadoboka am-ponja

Tsy mijanona ho resaka fotsiny ihany hatreto ilay hoe fanadiovana anatiny ataon’ny eo anivon’ny zandary, fa tena arahana asa. Zandary roa indray mantsy no nadoboka am-ponja vonjimaika tao Maintirano, vokatry ny fanamparam-pahefana nataon’izy ireo teny amin’iny faritra Melaky iny. Ny voalohany, dia noho ny resaka famonoana vehivavy iray izay notazomina tao aminy « poste avancé » tao Bemarivo. Araka ny fantatra dia ny « chef de poste » mihitsy no notorian’ilay vehivavy tamin’io fotoana io. Ny zandary faharoa indray dia zandary tsipika telo (G1C), izay miasa ao amin’ny « poste avancé » ao Beravina. Ity farany indray dia notorian’ny ray aman-dreniny ankizivavy iray 15 taona, rehefa noteren’ity mpitandro filaminana ity hiaraka aminy fotsiny io ankizivavy io. Ary tsy vitan’izay fa mbola mamo ihany koa ny anao lahy tamin’izay fotoana izay ary nalainy an-keriny ilay ankizy. « Maro moa ny olona no niresaka ny hoe ho hitantsika eo fa havotsotry ny zandary io fa tsy ho tonga any amin’ny fitsarana rehefa nahita fa natao « garde à vue » izy roa lahy ny herinandro lasa teo tao Maintirano ». Tsy izay anefa no nitranga, hoy ny vaovao, fa ny zandary dia tsy mamela mahazo izay rehetra mandoto ny anaran’ny zandarimariam-pirenena na iza io na iza. Porofon’izany, ny fandefasana azy roa lahy ireto teny amin’ny Fampanoavana sy ny fametrahana azy ireo avy hatrany any am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Mitohy ary tsy miato ny fanadiovana eo anivon’ny zandary ary manara-maso akaiky izany ny mpifehy sy mpitantana. Fantatra ihany koa mantsy fa ankoatra azy roa lahy ireto dia nisy manamboninahitra atao fanadihadiana etsy Fiadanana (jereo lahatsoratra etsy ambony).

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici