- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Mpandraharaha maty voatapa-tenda

Miandrivazo : Mpandraharaha maty voatapa-tenda

Nitrangana vono olona nahatsiravina niseho tamin’ny fomba feno habibiana indray, tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo, afak’omaly naraina. Raim-pianakavina iray voalaza fa mpandraharaha mpanangom-bokatra no hita faty teny an-tanimboly voakapan’ny antsy maranitra lavalela teo amin’ny tendany, tao amin’ny fokontany Ambalakida, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Ankotrofotsy. Raha araka ny nambaran’ny vadin’ny maty, dia ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any, no nisy olona iray mifankafantatra tsara tamin’ity lehilahy namoy ny ainy ity, nilaza fa manana apombo hamidy,, ka naka an’ity mpividy vokatra tao an-tranony, ary niara-nandeha hijery ilay « lila » izy ireo, ka ny maraina vao lanjaina ny entana. Tany anefa ity raim-pianakaviana ity ny alina tontolo. Akory anefa ny hatairan’ny rehetra raha naheno tamina tantsaha naka anana vao maraina, izay nahita ny faty nihosin-drà voafira « fibara » teo amin’ny hatony sy ny tarehiny. Taorian’ny fahitana ny razana, dia tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanokatra fanadihadiana ny manam-pahefana any an-toerana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici