- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Kaomandan’ny kaompania voarohirohy amin’ny resaka fanaka an-keriny sy asan-jiolahy

Tsaratanàna : Kaomandan’ny kaompania voarohirohy amin’ny resaka fanaka an-keriny sy asan-jiolahy

Anisan’ny faritra mena  tena anjakan’ny asan-dahalo sy fakana an-keriny, ny any amin’iny Disitriakn’i Tsaratanàna iny. Nidina ifotony rehefa naheno ny firongatry ny asan-dahalo ny lehiben’ny governemanta sy ireo delegasionina niaraka taminy. Rehefa tonga tany Tsaratanàna ny Praiminisitra ny talata lasa teo, dia nitafa mivantana tamin’ireo olona avy nalain’ny jiiolahy an-keriny miisa efatra ambin’ny folo. Nanome toky ireo olona  ny lehiben’ny governemanta sy ireo minisitra telo niaraka taminy,  dia ny minisitry ny: Atitany, Fialaminam-bahoaka,  Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, fa «  hanao izay tratry ny heriny manontolo ny fitondram-panjakana mba tsy hisian’izany fakana an-keriny izany intsony any Tsaratanàna.  Taorian’izay, dia nihaona mivantana tamin’ireo mponina tany an-toerana ihany koa ireo tompon’andraiki-panjakana. Rehefa nahazo toky ireo mponina dia nitantara ny tena zava-misy marina any amin’izy ireo, momba ny asan-jiolahy sy fakana an-keriny ka nivoaka indray teo ny anaran’ilay manamboninahitra Zandary izay efa Kaomandan’ny kaompania tany Tsaratanàna teo aloha. Vantany vao naheno ity tranga ity ny Praiminisitra, dia nanome baiko hanokafana ny fanadihadiana momba io manamboninahitra io. Vokany, misokatra ny fanadihadiana ary nampanantena ihany koa ny fibaikona ny Zandarmaria, fa tsy hiaro izay Zandary maloto mihitsy fa hatolotra ny Fitsarana ny vokatry ny fanadihadiana. Aorian’izay no hahafantarana na meloka na tsia io manamboninahitra Zandary voarohirohy amin’ity resaka fakana an-keriny sy ho mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo io.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici