# Fatin-jaza vao teraka hita tao anaty bozaka. Mpaka vilona no nahita ity fatin-jaza ity ny sabotsy lasa teo teny amin’ny lalan-kely mampifandray an’ Ambohimahitsy sy Ambatomaro. Rehefa nozahan’ny dokotera moa ny razana dia hita fa vao teraka ity zaza ity no nariana, satria na ny ahitra aza dia mbola niaraka taminy
Mahitsy
# Rangahy maty noho ny hanoanana. Ny 31 may teo no nisy nahita teo amin’ny faritry ny Hopitaly tetsy Bejofo –Mahitsy ity rangahy iray sahabo ho 69 taona, izay efa tsy misy aina intsony. Raha vao nandre ny tompon’andraikitra dia niantso ny dokotera nanao ny fizahana .Teny no nahalalana fa hanoanana no nahafaty ity lehilahy ity ; izay marihina fa tsy salama saina ihany koa.
Antsirabe
# Jiolahy 5 nandroba, lasa ny entana tao an-trano. Ny maraimben’ ny alahady teo no nanafika tokan-trano iray ny jiolahy 5, izay nitondra PA 1 sy zavamaramitra . Ankoatra ny vola 300.000 Ar moa dia najifa ihany koa ny entana mora bataina tao an-trano, toy ny finday sy peratra volamena ary ny solosaina tao an-trano.
Andranotapahina
# Mpitaingina moto nipitika tany anaty rano. Ny sabotsy hariva tetsy Andranotapahina RN4(PK12+6OO) no nisongona “camion citerne” hankaty andrenivohitra izy roalahy ireto, no tojo fiara Toyota 4X4 tsy mataho-dalana ka voafaoka avy hatrany dia nifandona ka nipitika tany anaty rano izy roalahy. Tsy dia naninona moa izy roalahy ireto rehefa nahazo ny fitsaboana azy avy.
Nangonin’I Alem