- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRenivohitrin’i Betsiboka : Miparitaka ny eran’ny tanàna ny fako

Renivohitrin’i Betsiboka : Miparitaka ny eran’ny tanàna ny fako

Mbola tsy voafehy ny fitomboan’ny fako amin’ireo dabam-pako amin’ny faritra sasany eto amin’ny renivohi-paritra Bestiboka. Anisan’izany ny eny Ambatofotsy sy Andranomangatsiaka, Anosikely Atsimo , ary Ambodimadiro, eny Morafeno, indrindra ireo manakaiky tsena. Miteraka fahasorenana ho an’ny mponina ny fofona sy ny lalitra aterak’ireo fako be ireny, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Na dia eo aza izany dia manao ny ezaka ihany ny avy eo anivon’ny kaominina momba ny fanadiovana ny tanàna, fa ny tsy fahapian’ny fitaovana hoentina manao ny asa no olana ho azy ireo. Raha tsiahivina dia nisy hatrany ny hetsika fanentana nataon’ny ben’ny tanàna tamin’ny taon-dasa ho fandraisanana andraikitra ataon’olona tsirairay amin’ny toerana misy azy amin’ny fanafoanana ny fako amin’ireo dabam-pako rehetra eto Maevatanàna renivohitra.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici