- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRocade : Tra-tehaka ny tambajotra mpangalatra « panneau solaire »

Rocade : Tra-tehaka ny tambajotra mpangalatra « panneau solaire »

Maty paika tanteraka ny tetik’adin’ireto olon-dratsy mpandrava sy mpangalatra fananam-bahoaka ireto. Tra-tehaky ny polisin’ny boriborintany fahenina tetsy Ambohimanarina mantsy ny tambajotra iray mpangalatra ireny « panneau solaire » eny amin’ireo andrin-jiro manazava ny lalan’ny « rocade » ireo. Efatra izy ireo, araka ny tati-baovao azo avy amin’ny pôlisy, ka ao ireo mpangalatra ao ireo mpaniraka sy mpandray ny entana halatra ary ao ireo efa mpividy izany fotsiny.

Ny faran’ny volana febroary teo vao mangiran-dratsy no tratra ambody  « poteau » ny lehilahy iray. Teo am-pamahana ilay « panneau solaire » mihitsy izy, tamin’iny lalam-baovao « rocade » iny no nandrasan’ireo mpitandro filaminana fotsiny tety ambany. Rehefa nahazo vaovao tamin’ny alalan’ny andrimasom-pokonolona mantsy ireo mpitandro filaminana dia nandray ny andraikiny avy hatrany, nametraka paik’ady hisamborana ity farany, ary dia izao tra-tehaka izao. Tamin’ny famotorana ity farany no nanoroany ireo olona mpiray tsikombakomba aminy. Voalazany fa mpivady mipetraka eny amin’iny faritra Ankasina iny no mpaniraka azy sy mpandray ireo entana halatra. Nidinana avy hatrany teny an-toerana moa izy ireo ka nosamborina ihany koa. Mbola nisy entana halatra maromaro tao amin’izy ireo. Ireto farany indray no nilaza fa lehilahy iray eny 67ha no mpandray ny entana. Tsy niandry ela ireo mpitandro filaminana fa nidina teny an-toerana ary nisambotra ity farany. Mbola nahitàna « panneau solaire » avy tamin’ireo andrin-jiro ihany koa tany aminy tamin’io fotoana io. Efa samy natolotra ny Fampanoavana moa ireto olona mpanimba sy mpangalatra fananam-bahoaka ireto ary inoana fa tsy maintsy hibaby ny valin’asany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici