- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBypass : Mpamily taxi voadaroka

Bypass : Mpamily taxi voadaroka

Tsy nidona akory ny fiara ary tsy nisy lozam-pifamoivoizana akory kanefa dia niteraka faharatràna avy amin’ny fikasihan-tànana izany. Rangahy iray sy ny vehivavy iray niaraka taminy no tezitra mafy rehefa saika nifandona ny fiara roa, dia ny 4X4 miloko manga nitondra azy roa sy ny fiarakaretsaka iray. Tsy nanaiky ilay olona nandeha fiara tsy mataho-dàlana raha tsy nosongonany ny fiarakaretsaka ary nobahanana. Rehefa tsy maintsy nijanona dia nandeha tamin’izay ny ompa variraraka sy fanambaniana ary fikasihan-tànana. Daroka izay nandratra ilay mpamily taxi, na teo aza ny fifonana nataony dia mbola nitohy ihany izany. Ny toe-javatra toy izany matetika no mitranga eto an-drenivohitra. Ireo izay miseho ho mahitahita sy mahafantatra olona dia tsy misalasala ny mikasi-tànana na manimba zavatr’olona. Ny olona nahita dia misy milaza ho mahafantatra ilay rangahy nandratra olona ary nanambara fa mpitandro ny filaminana izy. Tsy nitory ilay taxi, indrindra koa raha nandre izany. Mahatsiaro ny tenany ho atody miady amam-bato. Nekeny fotsiny ny tsy rariny nihatra taminy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici