- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversIsoraka : Mpivarotra héroïne voasambotra

Isoraka : Mpivarotra héroïne voasambotra

Io ny fivelomany. Notsoriny mihitsy fa efa am-polo taonany izy no nanao izany asaratsy izany, dia ny fivarotana héroïne izany. Miasa anaty tambajotra izy satria tsy vita tanteraka eto an-drenivohitra ny entam-barotra. Hafarana any Afrika Atsimo ny héroïne izay mbola tsy mitampoka. Raha kely indrindra dia 20 girama no hafarany ary 50.000 ariary no vidin’ny girama. Rehefa tonga eto dia efa manana vovoka afangaro amin’izany izy ary ny lanjan’ny vovoka ampiasaina amin’izany dia tombony mivantana any am-paosiny avokoa. Ao an-tranony sy ao anaty fiara izay entina mandehandeha manatitra ny entana erak’Antananarivo dia efa misy fitaovana manokana fanatontosana izany fampifangaroana izany. Na izany aza anefa dia eny amin’ny faritr’Isoraka no tena mandeha ny varotra. Eny rahateo no betsaka vazaha sy bar fandehanan’ny vahiny. Vitsy ihany mantsy ny Gasy mahatakatra ny vidin’ny heroïne izay efa tonga hatramin’ny 300.000ariary ny girama. Raha ny tatitry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadolelina dia 43 taona ilay rangahy tompon’antoka. Niaiky izy fa sady mpanjifa no mpivarotra io karazana rongony io. Mbola nahitàna maherin’ny 12 girama rahateo teny aminy nandritra ny fisamborana azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici