- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny ankizy tany Maevatanana : Ny roa votsotra, ny iray maty...

Fakàna an-keriny ankizy tany Maevatanana : Ny roa votsotra, ny iray maty ary ny iray hafa sandaina 50 tapitrisa ariary

Ankizivavy kely iray sisa  no voatazona any am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy tamin’ireo ankizy efatra nalain’ny dahalo an-keriny tao Ambodimangan’i Betsiboka, Maevatanana II, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo.

Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia fantatra fa fianakaviana olom-boafidy teo aloha tany amin’iny faritra iny ity ankizivavy kely. Tsy nisalasala mihitsy araka izany ireo olon-dratsy nitaky vola 50 tapitrisa ariary, raha nifandray tamin’ireo fianakaviana omaly, ho tambin’ny famotsorana azy. Raha tsiahivina kely ny tranga dia ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo no nitrangana fanafihana ny tanana kely iray antsoina hoe Ambodiriana, ao amin’ny fokontany voalaza etsy ambony. Maromaro ihany ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, izay samy nirongo fitaovam-piadiana isan-karazany avy. Nentin’ny tahotra sy poa-basy tsy nifandrenesana eran’ny tanana ireo fokonolona ka dia samy niezaka niery tany an-tranony tany avokoa. Niliba mihitsy araka ireto mpanafika, saingy araka ny vaovao azo hatrany dia tsy naka fananana na zavatra sarobidy izy ireo fa ankizy efatra, tamina tokantrano samy hafa tao an-toerana. Ankizilahy ny telo tamin’izy ireo ary ankizivavy kely ny iray. Teny an-dalana, raha ny fampitam-baovao hatrany, dia nalefan’ireo olon-dratsy ny iray tamin’ireo nalain’izy ireo. Nampivarahontsana kosa ny nanaovan’ireto farany ilay ankizy iray hafa. Tsy fantatra mantsy izay antony fa dia notifirin’ireo tsy valahara ity ankizy ity, araka ny fitantaran’ny ankizilahy iray hafa, tamin’izy ireo tafatsoaka ihany koa, tamin’io alina io. Hany sisa teny am-pelantan’ireo olon-dratsy izany dia ilay ankizivavy kely iray. Nisy avy hatrany moa araka izany fepetra noraisin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana nanoloana ity trangana fakàna an-keriny tany an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy sy ny tetik’ady rehetra entina hamotsorana ilay ankizy.

m.L / Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici