- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny tao Maevatanana : Mbola tsy votsotra ilay ankizivavy kely

Fakana an-keriny tao Maevatanana : Mbola tsy votsotra ilay ankizivavy kely

Ireto tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Fibaikonan’ny zandarmariam-pirenana

Efa nahetsika avokoa ireo zandary any an-toerana, hikaroka ilay ankizivavy kely nalain’ny dahalo an-keriny, tany Vodiriana, fokontany Ambodimangan’i Betsiboka, ny alin’ny sabotsy teo, araka ny fampahafantarana nataon’ireo tomponandraikitra ambony teo anivon’ny Fibaikoan’ny Zandamariam-pirenena, notarihan’ny Kaomandin’ny zandary. « Tsy afaka ny hilaza zavatra betsaka izahay, fa ny azo lazaina dia efa nalamina ny tetik’ady rehetra hikarohana izany ankizy lasa an-keriny izany » hoy ity farany. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana tokoa mantsy, dia omaly hariva indray no fotoana nomen’ireo olon-dratsy hanomezana ilay vola, izay nihena ho telopolo tapitrisa ariary, ho sandan’ny famotsorana ilay ankizy. Raha tsiahivina ity tranga ity, dia nisy efatra ireo ankizy no nalain’ireo olon-dratsy. Ny roa avotra soa aman-tsara, « raha nisy ny tandrametaka tamin’ireo mpaka an-keriny, tamin’ny fitazonana azy ireo ». Ny iray kosa, namoy ny ainy rehefa avy nampijalijalin’ireo olon-dratsy ary notifirin’ireto tsy valahara nony ny farany, « ny antony mbola tsy fantatra hatreto », ary ny iray farany, izay ankizivavy vao efa-taona,  mbola any am-pelan-tànan’ireo olon-dratsy any amin’izao fotoana izao. Ho hita eo araka izany ny mety ho tohiny…

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici