Manoloana izao fifidianana izay ho solombavambahoaka hatao amin’ny volana mey izao, tsy ny antoko politika ihany no samy maneho hevitra na koa mikaroka izay olona heverina ho mendrika izany toerana izany eo amin’ny faritra izay iasany avy. Isan’ny tena liana sy mandinika lalina momba izany ny Fikambanan’ireo zanaka am-pielezan’ny faritra Manambondro eto Antananarivo (FIZAFAMA). Lazaina hoe faritra, satria na dia ao anatin’ny distrikan’i Vangaindrano, Manambondro dia kaominina valo be izao no mandrafitra azy. Noho izany, nanapa-kevtra ny fivoriam-be notanterahan’ny FIZAFAMA, ny 10 Martsa tao amin’ny Sainte-Famille Mahamasina, fa manohana tsy misy fepetra ny filatsahan’i Guy Bréchard na i Rajaonarison Guy Désiré, izay tsy iza fa ny Filohan’ny fikambanana am-perinasa ihany amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao. Resy lahatra ireo mpikamba ao amin’ny FIZAFAMA, fa ity olona ity no afaka hitondra ny feon’ny vahoaka ary ho to teny any amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra any mba hampandrosoana ny faritra sy ny Firenena. Izy rahateo efa nampiseho finiavana sy fahaiza-mitarika ary fahaiza-manao ka nahavita nanasongadina ny FIZAFAMA tamin’ny fandraisana anjara mavitrika eo amin’ny fampandrosoana ny faritra Manambondro. Betsaka ny asa vita tany amin’ny faritra, raha tsy hilaza hafa tsy ny fampandrosoana ny fanabeazana, tamin’ny alàlan’ ny famatsiana fitaovana ireo sekoly. Eo ihany koa ny fitsinjovana ny maha olona sy fiahiana ara-tsosialy ireo mpiray tanindrazana na an-kafaliana na an-karatsiana. Tsy vitan’izay, fa ho fikatsahana ny fivoaran’ny faritra Atsimo-Atsinanana, dia isan’ny nandray anjara mavitrika nampandany ny Filoha Rajoelina tany amin’ny kaominina valo mandrafitra an’i Manambondro, ka nahazoan’ity farany 93% tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena, ny tenany.
T.M.