Nitondra fanazavana mikasika ny fisiana polisy voarohirohy tamin’ilay fanafihana tokantran’olona iray teny Volontara-Andoharanofotsy, ny alin’ny 5 martsa hifoha 6 martsa teo, ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, omaly. Nandritra izany no nilazan’ny Commissaire de Police Andrianavalona Patrick, lehiben’ny USI (Unité Spécialisée d’Intervention), fa Polisy eo ambany fifehezany ilay lehilahy nitondra basy poleta PATT nosamborin’ny Zandary teny Bevalala, tao aorian’io asan-jiolahy io. Notsipihany anefa, fa avy niasa ary handeha hamonjy fodiana ity Polisy ity no nifanena tamin’ireo Zandary izay nanao fanarahan-dia ireo jiolahy nanao izany fanafihana izay. Tamin’ny 2 ora maraina izy no niala tao amin’ny toeram-piasany ary fiaran’ny Polisy no nanatitra azy. Tsy maintsy nadeha an-tongotra anefa izy, araka ny fanazavan’ity lehibeny ity, satria tsy tongan’ny fiara ny lalana mamonjy ny trano fonenany. Nifanena tamin’ny jirona fiara izy ka noheveriny fa olon-dratsy ka izay no niafenany tao anaty kirihitra. Rehefa hitany anefa, fa fiaran’ny zandary ilay hifanena aminy dia nivoaka avy hatrany izy ka izay no nahavoasambotra azy na dia voalaza, fa efa nampiseho ny momba azy rehetra. Efa nampahafatarina ny Zandary ny fandaharam-potoanan’io Polisy io tamin’io fotoana io mba hanamarinana fa Polisy am-perin’asa tokoa izy, hoy ity lehiben’ny USI ity. Mahakasika ny basy teny an-tànan’io Polisy io kosa, dia voaporofo mazava tsara fa misoratra aminy izany ary nampitondraina azy amin’ny asany.
T.M.