- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana teny Andoharanofotsy : Nifanipaka ny voalazan’ny polisy sy ny zandary

Fanafihana teny Andoharanofotsy : Nifanipaka ny voalazan’ny polisy sy ny zandary

Teboka maromaro no nitondran’ny teo anivon’ny zandary fanazavàna mahakasika ilay fanafihana niseho teny Andoharanofotsy, ka nahavoasaringotra pôlisy iray, voalaza fa nampiahiahy teny an-toerana. Ny voalohany, « teo anelanelan’ny tamin’ny iray ora sy sasany sy tamin’ny roa maraina teo no nisamborana ilay lehilahy nampiahiahy teny Andoharanofotsy » hoy izy ireo. Ny ampitson’ilay fanafihana iny anefa dia nanambara ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa « avy niasa izy io ary nirava tamin’ny roa maraina tany am-piasany». Manarak’izay, nanindry mafy ny teo anivon’ny zandary « tsy nampiasa ny fiaran’izy ireo velively ireto farany tamin’io fotoana io. Fiara tsotra, môtô ary dia an-tongotra no nandehan’izy ireo teny an-toerana ». Izany dia noho ny filazan’ireo teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa « tsy tonga ny fiara tanteraka any aminy ka misy lalana aleha tongotra. Nisy jiro sy kotaba tampoka anefa ka niezaka niery izy. Kanjo nony hitany fa fiaran’ny zandary dia nivoaka tao amin’ny fiereny ary nanatona ireto farany, nilaza ny mombamomba azy ». Inona ihany araka izany no tena marina ?

Ho setrin’ity « tsy fitovizan-kevitra » ity moa dia fantatra fa hiarahan’izy ireo : ny pôlisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena, manatanteraka ny fanadihadiana iny tranga iny. « Hahitàna ny tena marina tsy hisian’ny fitongilanana » hoy ny fanazavana. Torak’izay ihany koa ny mahakasika ilay basy marovava marika « Uzi » latsaka teny am-pelantanan’ireo mpanafika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici