- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Manindrona ranom-panafody ireo mpanendaka

Antanimena : Manindrona ranom-panafody ireo mpanendaka

Miova ny fomba fiadian’ireo mpitandro filaminana entina hiadiana amin’ity resaka fanendahana  miaraka amin’ny fitaovam-piadiana dia miova araka izany ihany koa ireo fitaovam-piadiana entin’ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny. Lava loatra ka mora hita ny sabatra, moa efa mailo ny olona raha vao mitana basy, ka miantso mpitandro filaminana avy hatrany. Hany ka zavatra tsy ampoizina mihitsy indray ankehitriny no entin’izy ireo : « seringue » misy ranom-panafody. Toy ny nahazo rangahy iray tetsy Antanimena ny alarobia hariva teo. Teo amin’ny telolahy teo ireto olon-dratsy, izay nanaraka ity lehilahy ity avy aoriana. Ny roa avy hatrany dia nibeda mba tsy ahafahany mihetsika moa ny iray nanindrona ranon-javatra hafahafa tao anaty « seringue ». Nalemy tsy nahetsika avy hatrany ity olona lasibatra ka nanararaotra naka izay rehetra zavatra sarobidy tany aminy ireo olon-dratsy, ary niala teo toy ireny olona tsotra ireny. Na dia azo lazaina fa isan’ny be olona aza iny faritra iny, ary efa maro ireo petan-drindrina mampitandrina ireo olona ny amin’ny fisian’ireo mpanendaka dia tsy nahasakana azy ireo tsy hanao ny asa ratsiny izany. Etsy andanin’izay, matetika ny tranga toy izany dia tsy misy mahamarika raha tsy efa tafateny sy miantso vonjy ilay olona voan’izy ireo. Efa tara loatra anefa…

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici