Vokatry ny fahavaratra sy ny andro ratsy, dia tsy nisahatra nilatsaka ny orana teto Ambositra, miha malemy ny tany ary tsy vitsy ireo tamboho mianjera. Vokatry ny fahavaratra sy ny andro ratsy, dia tsy nisahatra nilatsaka ny orana teto Ambositra, miha malemy ny tany ary tsy vitsy ireo tamboho mianjera, toy ny zava-nisy ny zoma 8 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nianjera ny tamboho lehibe iray vita rarivato, ka nahafaty zazalahy iray 10 taona izay nilalao teo ambaniny, toy ny nahazatra azy.Na dia niezaka aza ny olona namonjy ilay zaza, dia tsy tana intsony ny aina, vokatry ny firotsahan’ ny tany nifangaro tamin’ny vato “moellon” marobe. Marihina, fa io zazalahy io dia mpianatra ao amin’ny EPP Ramonja-Ambositra. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny fisorohana ny loza, fa indrindra amin’izao fotoam-pahavartra izao, koa samia mitandrina.
Anastase