
Tezitra ny olona. Misesy loatra ny sinto-mahery ary tsy vitan’izany fa nisy heloka bevava roa nisesy teo an-toerana, izany hoe Mangarivotra-Faravohitra tao anatin’ny herinandro. Ny iray dia tovovavy izay nofitahina tamin’ny facebook ary naolana teo amin’ny manodidina teo. Ny faharoa indray dia tovolahy izay nisy nanala ny maha-lehilahy azy no sady nomena poizim-boalavo. Io farany dia maty tany amin’ny hopitaly, vao tsy ela akory izay. Mbola tsy voafafan’ny mponina eny an-toerana izany asa ratsy izany no nisy sioka tokana nandeha momba ny fisian’ny mpanendaka teo amin’ny elanelan-trano. Poa toa izay dia vory ny vahoaka. Tapi-dalan-kaleha ilay mpanendaka na saika mbola hanavotr’aina aza. Toy izao ny zava-nisy : manodidina ny tamin’ny sivy ora sy sasany maraina, nisy tovovavy izay tsy nahalala ny lazan’i Faravohitra angamba ka saika hanao « shooting » teo amin’ny manodidina. Ny fakan-tsary aloha no nalain’ilay olon-dratsy voalohany. Nambanany tamin’ny sabatra ary notereny hanaraka azy tao amin’ny lobolobo kely teo amin’ny manodidina. Ny herisetra teo dia efa nandeha. Nisy naratra, vokatr’izany, teo amin’ny tenda sy ny tanan’ilay vehivavy. Noterena indray io farany ny hanala ny akanjony. Teo no nahavita niantso vonjy izy ary tena henon’ny manodidina izay toa efa manao andrimaso na antoandro na alina, izany antso izany. Poa toy izay dia voahodidina olona ny tanàna. Raikitra teo ny fanenjehana ilay olon-dratsy izay nanao izay ho afany hialàna teo an-toerana. Tsy afa-nanohitra firy mantsy satria feno ny vatan-dehilahy ary voafehy ny tanàna. Nandeha ny daroka isan-karazany ary notarihin’ny olona, izay efa romotra tanteraka tamin’ny nataony, tamin’ny tady izy. Samy nanala ny fony teo avokoa izay nahita, hatramin’ny vehivavy aza. Raha nisy kely foana dia saika tonga tany amin’ny famonoana ho faty azy, saingy mbola hendry ny olona. Nantsoina ny polisy izay naka azy teo ary nitondra azy, izay mbola nifatopatotra ny tenany, teny amin’ny komisarian’ny boriborintany fahatelo. Nandeha ny feo teo an-toerana, fa io lehilahy io koa ilay nisandoka ho mpanao « shooting » izay nanolana tovovavy iray nony avy eo, tsy taiza izany fa mbola teo Faravohitra hatrany. Anjaran’ny polisy no manamarina an’izany. Mangataka ny olona ny mba hanamafisana ny fisafoana eny an-toerana, satria andro maraina dia efa miseho ny heloka bevava, toy ity nitranga omaly ity : amin’ny sivy ora dia efa misy maka tovovavy an-keriny mba haolana…
D.R