Miparitaka tanteraka mihitsy ny fitaovam-piadiana amin’izao fotoana izao. Karazana baomba mandatsa-dranomaso miisa enina sy bala hafa karazana miisa fito no tra-tehaky ny pôlisy tao amin’ny kitapo iray nentinn’ny tovolahy teny amin’iny tetezan’i Bekiraro iny omaly. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena dia tovolahy nampiahiahy no nifanena tamin’ireo pôlisy mpanao fisafoana ao anatin’ilay paikady « polisy hita maso » omaly maraina, tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any. Raha vao nahatazana fotsiny ireo andiana mpitandro filaminana ireto ilay tovolahy, izay nibaby kitapo, dia nitsoaka avy hatrany. Mailo tamin’izany fihetsiny izany ireo mpanao fisafoana ka rafitra nanenjika. Tamin’izay no nanarian’ilay tovolahy ilay kitapo nobabeny teny an-dalana. Marihana, araka ny tati-baovao azo, fa tsy tratra ilay tovolahy noho ny fahaizana « lalam-poza » tamin’ireo elakelan-trano nisy teny an-toerana. Niverin-dalana ary naka ilay kitapo ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny fisavàna ity farany no nahitàna ireto fitaovam-piadiana isan-karazany ireto. Avy aiza no fiavian’ireo ary saika hatao inona ? Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao sy fikarohana ity tovolahy ity. Ireo fitaovam-piadiana kosa dia nalefa eny amin’ny pôlisy siantifika, hitsirihana ny fiavian’ireto fitaovana ireto.
m.L