- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFieferana Avaradrano : Tokantrano 12 voatafika, voaolana ny zaza amam-behivavy

Fieferana Avaradrano : Tokantrano 12 voatafika, voaolana ny zaza amam-behivavy

Nandravarava tanteraka ny andian-jiolahy tetsy Soamanandray ao anatin’ny kaomina Fieferana, distrikan’Avaradrano, ny alatsinainy alina lasa teo. Tokantrano am-polony teo no lasibatra, olona roa no naratra ary vehivavy mpianaka no nampiharan’ireo jiolahy no filan-dratsiny. Amam-tapitrisany any ho any kosa ny teti-bidin’ireo zavatra very.

Araka ny fitantaran’ireo niharam-boina, dia tokony ho tamin’ny 10 ora alina eo ireo olon-dratsy no tonga nanafika ny tananan’izy ireo. « Maromaro ireto farany, hoy ny filazan’ny raim-pianakaviana isan’ireo voatafika tany an-toerana. Ary samy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika avokoa izy ireo ». Raha ny voalazany, dia niezaka nanohitra ireto mpanani-bohitra ireto ihany ireo fokonolona saingy tsy nahahovoka firy noho ny hery tsy mitovy. Hany ka nanao izay danin’ny kibony teo an-tanana. Manodidina ny tokantrano 12 teo ho eo no voatafika tamin’io fotoana io. Nisy tokantrano iray niharan’ny mafy indrindra tamin’ireo, hoy ny fanazavana azo. Tsy vitan’ny nalain’ireo jiolahy mantsy izay zavatra sarobidy tao aminy, fa mbola nampiharan’izy ireo ny herisetra ihany koa ny tao an-trano. Teo imason’ny raim-pianakaviana mihitsy mantsy no naolan’ireo tsy matahotody ny reniny sy ny zanany vavy. Ary tsy izay ihany fa mbola nodarohan’izy ireo ihany koa ity raim-pianakaviana ity. Rehefa azon’ireo olon-dratsy izay nilainy, dia nitsoaka nandositra izy ireo nony avy teo. « Niezaka niantso vonjy ihany izahay, saingy ny somary nampalahelo sy mampitaraina anay fokonolona dia adiny roa taty aorian’ny fanafihana vao tonga ireo mpitandro filaminana. Inona intsony moa ny famonjena vita amin’izany, fa dia maratra izay maratra ary voaolana izay voaolana. Efa nadio  ela ny rano nitan’ireo mpanafika » hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity. Na izany na tsy izany dia efa nisy fanenjehana sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ataon’izy ireo. Marihana, fa sivy kilaometatra monja miala iny lalam-pirenena fahatelo, mitsofoka eo Ankadikely Ilafy no misy ity tanana noravan’ny dahalo ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici