- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : Jiolahy efatra ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, no tra-tehaky ny zandary.

Mahazomà-Maevatanàna : Jiolahy efatra ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, no tra-tehaky ny zandary.

Noho ny firongatry ny asan-dahalo manao sesilany ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna dia manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro ny filaminana. Taorina’ny fanafihana niseho tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodirano, fokontany Anaidrano, any amin’ny kaominina Mahazomà, ny alin’ny alahady 13 janoary lasa teo, izay nahaverezana omby telopolo, dia tsy mikely soroka amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny zandary. Ny alatsinainy 04 martsa lasa teo, dia mbola saika hanafika an’io tanàna volaza etsy ambony io ireo dahalo. Soa ihany fa mailo ny zandary sy ny fokonolona izay nanao ny fiambenana ny tanàna, ka tra-tehaka nandritra izany ireo malaso efa-dahy teo am-panaovana ny asa rastiny, tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo. Raha ny vaovao voarainay hatrany dia sarona nadritra izany koa ny basim-borona sy basy poleta vitagasy, miampy fanamiana miaramila miaraka amin’ireo moara, odim-bala. Raha ny fantatra, dia omaly maraina no natolotra ny fampanoavana izy efatra mirahalahy ireto, rehefa  vita famotorana sy fanadihadiana teny amin’ny borigadin’ny zandary eto Maevatanàna. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo malaso sasany.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici