Poa-basy nirefodrefotra. Nifampitifitra tao anatin’ny orana mikija ny tompom-barotra iray sy ny andian’olona miisa folo niirongo basim-borona nikasa hanafika tranombarotra, teny amin’ny tanàna antsoina hoe Antanambao, fokontany Bevilany, any amin’ny kaominina Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny alin’ny zoma 09 martsa lasa teo. Hita faty tany an-kara, taorian’izany ny roa tamin’ireo dahalo. Tifitra no voafaritra fa nahafaty azy roa lahy ireto. Naratra voatifitra teo amin’ny lamosiny sy ny tratra kosa ilay tompon’ny fivarotana. Nivoaka haingana ny tompon-trano rehefa nahita an’ireo jiolahy nitondra basy ary nitsoka kiriorioka. Fotoana vitsy taorian’izay, dia nirefotra ny poa-basy. Tsy tazana noho ny fisian’ny orana ny fiavian’ny tifitra variraraka. Namaly izany avy hatrany no nataon’ity lehilahy tompom-barotra ity. Resy tosika ireo olon-dratsy. Taorian’izay vao samy nivoaka ny tranony ny fokonolona teo amin’ny manodidina nanenjika ireo malaso. Tamin’izany no nahitana ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy roa tany an-kara. Ny tompon’ilay fivarotana kosa nalefa namonjy ny hopitaly be ao Morafenokely Maevatanàna hanaraka fitsaboana. Ny ampitso vao tonga tany an-toerana nisehoan’ny fanafihana ny zandary avy ao amin’ny « Poste Fixe Bevilany » nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana.
Ratantely