- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAtsimondrano : Nasesin’ny jiolahy mitam-basy ny « épicerie »

Atsimondrano : Nasesin’ny jiolahy mitam-basy ny « épicerie »

Efa-dahy izy ireo no nanatontosa ny fanafihana. Ny roa tamin’izy ireo no nisaron-tava. Basim-borona roa sy zava-maranitra no nentin’ireo jiolahy nanatontosa ny asa ratsy. Manodidina ny tamin’ny sivy ora alina, tetsy Androhibe, tanàna iray ao Ambatomalaza-Atsimondrano no nigadona izy ireo. Voaroba ny vola  mitenetina roa tapitrisa sy finday roa tao amin’ny toeram-pivarotana enta-madinika iray. Rehefa vita izay dia nifindra teo amin’ny « épicerie » faharoa; izay tsy lavitra teo indray ireo jiolahy. Ary mbola nahazo vola sy entana koa. Raha araka ny tatitry ny zandary dia mitentina 1,4 tapitrisa ariary miampy finday roa ary akanjo maro isan-karazany no nalain’ireo tao. Mazava hoazy fa nambanana basy ary norahonana ny hotifirina hatrany ny tompon-trano tamin’ireo tranga roa mitovy ireo. Nitsoaka niatsinanana ny olon-dratsy, ary mba tsy nanapoaka basy toy ny mahazatra. Rehefa tonga ny zandary ka nanao ny fanarahan-dia, dia fantatra fa nisy olona roa izay voarohirohy ka notazonina avy hatrany. Rangahy 44 sy 45 taona izy ireo ary ahiana mafy ho isan’ny nanatontosa ny fanafihana.

D.R

Bongatsara : Lasa hatramin’ny peratra mariazy

Efa-dahy izay nisaron-tava ny iray tamin’izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Manodidina ny tamin’ny iray ora sy fahefany maraina, ny alakamisy teo no nanafika tokantrano izy ireo. Nitondra basy sy zava-maranitra raha araka ny fanamarihana azo. Rehefa norahonana ny tompon-trano izay izy irery no tao tamin’io fotoana io, dia nobataina amin’izay ny entana izay azo nalaina ary koa ny vola. Lasa ny fahitalavitra fisaka roa, ny finday  telo, ny peratra  telo ; izay peratra mariazy ny iray tamin’ireo. Tsy vitan’izany, fa nobatain’ireo hatramin’ny solosaina izay fampiasa amin’ny birao. Ny zandary ao Andoharanofotsy no tonga nanao ny fisafoana ny toerana ary nanokatra fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Mafampana ny tsifandriampahalemana ao Atsimondrano, tao anatin’ny roa andro izay. Ahiana aza ho jiolahy mitovy hatrany ireo efa-dahy izay mampihorohoro tato ho ato any amin’iny faritra iny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici