- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTanànan’i Toamasina renivohitra : Vokatry ny oram-be omaly, feno rano mihandrona ny...

Tanànan’i Toamasina renivohitra : Vokatry ny oram-be omaly, feno rano mihandrona ny tanàna

Nanomboka ny alarobia alina tsy nitsahatra, raha tsy ny alakamisy antoandro ny orana teto Toamasina renivohitra, izay narahana kotro-baratra mandra-maraina ny alarobia alina. Vokatr’izany, ankoatra ny fatapatahan’ny herinaratra ny alarobia alina sy ny alakamisy manontolo ny andro, dia feno sy dibo-drano avokoa ny toerana sy fokontany maro eto Toamasina; misy aza ireo fokontany tahaka ny ao: Andranomadio, Ambalamanasy, Andranomadio, Cité Haras, Morarano, Ambalakisoa, Ambohijafy, Salazamay, Depot Analakininina, Tanambao V… ary Ankirihiry rehetra iny, dia saika miaina anaty rano avokoa ny ankamaroan’ireo tokantrano, satria efa tafiditra an-trano tanteraka ny rano omaly tontolo  andro izay mbola misy ny tsy ritra hatramin’izao fotoana izao. Mandeha noho izany ny hanihanin’ny olona isam-pokontany hoe ““Miami” fa tsy “Venise” no notadiavinay eto Toamasina”. Raha ny zava-misy anefa, dia ny mpiara-monina ihany no miteraka olana amin’ny mpiara-monina aminy satria ireo fokontany sy faritra tena hanjakan’ny loto no tena misy ireo fiangonan’ny rano ireo noho ny fahantsenan’ny lalan-drano sy ny tatatra ary ny kalan-dranon’i Pangalana mandalo ao Mangarivotra sy Tanambao V ary Morafeno mivoaka an-dranomasina izay tsentsina ihany koa noho ny fanarian’ny olona fako ao anatiny efa hatry ny ela teto Toamisina. Ho hita eo izay hambaran’ny filoham-pirenena; izay milaza ny hitsidika an’i Toamasina renivohitra ny faran’ny herinandro izao,  taorian’ny fitsidihana ny tany Maorisy farany teo; ny ben’ny tanànan’i Toamasina koa taorian’ny fampiatoana mbola miandry ny fanadihadiana sy ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny atitany, dia variana amin’ny maha-kandida depiote azy izay nisafidy ho isan’ny kandida ho solombavambahoaka ihany koa ao amin’ny distrikan’i Mahanoro.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici