Sendra mandalo an-tanindrazana Atoa Pascal Joseph amin’izao fotoana izao, nefa izao nodimandry ny alarobia tolakandro teo tao amin’ny trano fonenany ao amin’ny « cité Béryl Rose » Tanambao V. Raha ny fanazavana, dia narary i Pascal Joseph izao nodimandry tampoka izao. Mbola andrasana ao amin’ny trano fonenany ity ny nofo mangatsiakany miandry ny fahatongavan’ny vady aman-janany avy any Frantsa, araka ny fanazavana hatrany. Atoa Pascal Joseph, dia isan’ny andrin’ny tarika Egeba Est Toamasina, tamin’ny fotoana nahatonga ny tarika tena nanana ny lazany, satria sady mpandrindra teo anivon’ity tarika ity izy no mpamoron-kira ihany koa, ka isan’ny tena nahalalana azy ilay hira malaza hoe : « Seragnan’i Tamatave » sy ny « Antim-bavy namahan-jafy »…. Efa mipetraka any Frantsa ny tenany sy ny vady amn-janany, ka sady miasa izy any no mbola manohy ny maha-mpanakanto azy ihany koa. Very olo-manga izany ny zava-kanto eto Toamasina tamin’izao nahafaty an’i Pascal Joseph izao, very olo-manga ihany koa ny tarika Egeba Est ankehitriny na miezaka mitana ny zava-kanto Betsimisaraka aza izy ireo hatramin’izao. Eto dia mirary fiononana ho an’ny fianakavian’i Pascal Joseph sy ny tarika Egeba Est.
Malala Didier