Efa nisy ny voasambotra, toa ny tetsy Ambohibao izay saika maty nodarohin’ny olona, saingy mbola misy ihany koa ny sahy. Vonoina ny alika dia volosana ohatra ny akoho ary amidy ny henany. Porofo mivaingana ity sary izay nalain’ny olona tetsy Ambatonakanga ity ary nozaraina tamin’ny tambajotra sosialy. Eo am-pamolosana alika ireo lehilahy roa manao kasikety ary tsy tahotra tsy henatra, satria eo amin’ny toerana hitan’ny olona no hanaovan’ireo an’izany. Misy vehivavy iray efa miandry teo akaiky teo ary inoana fa io no hitondra ny hena amidy, na koa iza no mahalala, raha havadika…masikita. Teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara no nanaovan’ireo ny “opération”. Mila mandray andraikitra avy hatrany ny fitondràna manoloana ny toe-javatra toa izao. Ny antony dia loza mitatao ho an’ny saram-bambem-bahoaka ny fampihinanana alika azy ireo. Tany Eoropa, niteraka resa-be fisandohana varotra henan’omby tamin’ny henan-tsovaly. Nampidy orinasa maro mihitsy aza izany satria tsy nanaiky ny olona mpanjifa ary nanenjana ihany koa ny fanjakana. Eto amintsika, miharihary izao fa misy ny mivarotra henan’alika. Andrasana ny mba hijeren’ny tompon’andraikitra eo amin’ny minisitera isan-tsokajiny ny momba ity raharaha ity. Raha tsy izany mantsy dia toa midika fa ekena izany ny fampihinanana alika ny olona. Ahoana ny momba ireny masikita etsy sy eroa ireny? Ireny toton-kena eny amin’ny mpivarotra ireny? Fotoanany angamba izao mba hanaraha-maso tsara ny fiavian’ny hena amin’izay…
D.R