Fipoahana mahery vaika no nanaitra ireo mponina teny Andrefan’i Mananjara, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia hoe nisy nanipy baomba tao amina tokantrano iray teny an-toerana, izay nampisahotaka ny olona.
Polisy tamina fiara tsy mataho-dalana maromaro, nirongo fiadiana sy ny nanao saron-tava no tazana nivezivezy teny amin’iny manodidina an’i Soanierana sy ny manodidina iny, ary tonga hatraty Anosibe sy Namontana iny ny alin’ny alakamisy lasa teo. Izany dia noho ny fampandrenesana azon’izy ireo fa nisy baomba nipoaka tao amin’ny fokontan’Andrefan’i Mananjara. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina teo tokoa mantsy dia nisy zavatra nirefotra mafy dia mafy ary avy eo nirehitra tao amina tokantrano iray, izay voalaza fa ana sefo fokontany teo aloha. Teo an-tokotany no natsipy ity zavatra nipoaka ity ary nahazo ny tao an-trano. Rehefa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana dia hita fa tavoahangy nisy « cocktail molotov » no natsipy teo amin’ilay toerana. Niteraka ilay fipoahana sy ilay firehetana. Soa ihany fa voavonjy mialoha ny afo, raha saika zava-doza tanteraka no nafitsony. Sotasota sa jiolahy saika hanafika ? Hatreto dia efa manao ny asany amin’izay fanadihadiana izay ireo mpitandro filaminana. Mazava ho azy ihany koa amin’ny toe-javatra tahaka itony dia mazàna dia tsy misy mahita ilay olona nanipy ity karazana baomba artizanaly itony, ka tsy fantatra na iza na iza. Na izany na tsy izany aza anefa dia tsy maintsy misy aloha ny fikarohana sy savahao ny manodidina ataon’ireo mpitandro filaminana, antom-pisian’ireo pôlisy marobe teny an-toerana, sao sanatria misy ny olona mampiahiahy.
m.L