- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Notafihan’ny dahalo ny lefitry ny PDS

Betroka : Notafihan’ny dahalo ny lefitry ny PDS

Dahalo enimpolo mirongo  fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika ny an-tamponin’ny tanànan’ Ikelivaona, 45 kilometatra avaratr’i Betroka. Lasibatr’ireo dahalo tamin’izany ny tranon’ny lefitry ny PDS. Nilefa ny lefitry ny PDS, raha vao nahita ireo dahalo,  ka tamin’izany no nahafetesana olona roa tao an-tranony, dia ny vadin’ny tompon-trano sy zanany vavy kely 10 taona sy iray hafa naratra mafy izay efa nalefa notsaboina any Ihosy ary omby 27 no nentin’ny dahalo.Tamin’ny fifandonana, dia dahalo iray no lavon’ny balan’ny zandary. Marihina, fa disadisam-piarahamonina no anton’izao fanafihana izao. Tamin’ny fanadihadihana nataon’ny zandary, dia fantatra ilay atidoha nanatontonsa izao asan-jiolahy izao ary mandeha ny fikarohana. Etsy an-daniny ihany, dia tratran’ny zandary ao Ibitsoka, ny rongo ny 400 kilao.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici