- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 16, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mitombo isa hatrany ny ankizy mivaro-tena sy mpivarotra amoron-dalana

Toliara : Mitombo isa hatrany ny ankizy mivaro-tena sy mpivarotra amoron-dalana

Raha mitohy amin’ny fanadiovana ny eto an-drenivohitra amin’ny fanesorana ireo mpivaro-tena sy mpivarotra amoron-dalana ho fisorohana ny tsy fandriampahalemana, dia mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy ao Toliara ao. Maso mahita no ilazana fa feno mpivarotra ny tanàna, izay manery ny arabe sady mandoto tanàna. Hatreny ambony « trottoir » toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra misy manorina trano. Ny fako miavosa sy miparitaka etsy sy eroa, manginy ny fotsiny ny fanondrahana rano maloto maimbo amin’ny arabe, na dia miezaka ny ao amin’ny kaominina mandraoka sy manadio.
Mameno tanàna. Tato anatin’ny roa taona, indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Haruna. Noho ny fahantrana lalim-paka sy fitiavana lamoady ary rendrarendra, sns, tsy mitsaha-mitombo isa hatrany ireo mpampanofa tena ao Toliara. Mirotsaka manao ity asa tranainy indrindra eto an-tany ity hatramin’ny ankizy tsy ampy taona. Ahitana mpivarotena avokoa ny toerana rehetra be olona sy mpandalo.
Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser