- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny tao Tsaratanàna : Fifandonana tamin’ny tariky ry Del Kely, dahalo dimy...

Fakàna an-keriny tao Tsaratanàna : Fifandonana tamin’ny tariky ry Del Kely, dahalo dimy maty

Mbola tafaporitsaka hatreto ity lehiben’ny dahalo sy voalaza fa atidohan’ny fakàna an-keriny any amin’iny faritra Betsiboka iny, indrindra fa ny ao Tsaratanana. Na izany aza anefa, nisy dimy tamin’ireo mpiaraka aminy no namoy ny ainy, voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana nitranga tany an-toerana. Anisan’ny lavo tamin’ity ny lefiny, araka ny angom-baovao azo avy any an-toerana.

Mbola mihatra hatramin’izao ilay valisoa omen’ny Fanjakana ho an’izay olona manome vaovao mahafatra-po ahafahana misambotra ilay lehiben’ny dahalo, fantatra amin’ny anarana hoe « Del Kely », malaza amin’ny resaka fakàna an-keriny any amiin’iny faritra Betsiboka iny. Teo anatrehan’izay indrindra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia nisy olona nanome vaovao azy ireo mahakasika ity dahalo rain-dahiny ity. Voalaza teo fa manangona olona am-polony maro indray izy ao Ambninanitelo fokontany Amparihitsiritra, kaominina Keliloha, distrika Tsaratanana, izay inoana fa mety manomana  asa ratsy hafa indray, ny faran’ny herinandro teo. Tsy niandry ela ny teo anivon’ny zandary fa avy hatrany dia nidina tany an-toerana, nampian’ireo vondron-kery manokana avy eo anivon’ny Fign. Tampoka tamin’ireo olon-dratsy mbola nivory ny fiavian’ireo mpitandro filaminana. Na izany aza, nanohitra avy hatrany ireto farany izy ireo ka raikitra ny fifandonana. Efa tsara hofana tanteraka anefa ireo zandary teo anatrehan’ny zava-nisy. Hany ka tsy nahovoka firy ireo olon-dratsy. Vao mainka aza moa nisy dimy tamin’izy ireo no lavo. Araka ny fantatra dia tsy isan’ireo lavo ity lehiben’ny jiolahy ity fa mbola tafaporitsaka indray. Mbola mitohy indray araka izany hazalambo atao amin’i Del kely sy ireo ekipany.

m.L/ Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici