- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Vasambotra ireo mpanendaka mpanao « selfie »

67ha : Vasambotra ireo mpanendaka mpanao « selfie »

Noraisim-potsiny. Ny mikaroka sy mitady ny sarin’ireo mpanao ratsy aza atao, mainka moa fa misy mampiseho an-kitsirano sy manaparitaka ny sariny anaty tambajotra sosialy. Mora tamin’ireo mpitandro  filaminana misahana iny faritra 67ha iny tokoa ny nisambotra ireo andiana mpanendaka avy naka findaina vehivavy iray teny an-toerana.

Raha tsiahivina tokoa mantsy ny tranga, dia nisy vehivavy iray voaendaka finday teny amin’iny faritra 67ha iny. Faritra hatramin’izay dia efa voalaza, fa mahamay tokoa amin’ny resaka tsy fandriampahelamana. Efa tsy natao mahagaga intsony izay olona voasintona finday eny an-dalana izany. Ny hany azo atao sisa, dia mailo tanteraka ka tsy mamoaka ity zava-tsarobidy raha tsy tena hoe ilaina maika. Sendra ny vintana nitsika anefa ny an’ity vehivavy, na ihany sendra ny mpanendaka tsy dia maharaka loatra ny fivoaran’ny teknolojia. Raha vao azon’izy ireo mantsy ilay finday, dia nifandimby naka sary ny tenany, na ilay antsoin’ny maro hoe « selfie » ireo olona naka an’ilay finday. Henon’izy ireo angamba, fa mba lamaody amin’izay ny mamoaka izany « selfie » izany amin’ny tambajotra sosialy ka mba nanaraka ry zalahy. Soa ihany koa, fa efa nisy nisokatra ary mandeha tsara tao amin’ilay finday ka dia rafitra nandefa ny sariny tamin’ny facebook izy rehetra. Ny tsy nampoizin-dry zalahy anefa, dia « compte »-n’ilay vehivavy voaendaka ihany no nandefasan’izy ireo ilay sary. Dia tonga amin’ilay fitenenana hoe nitonon-tena toa lolofotsy e. Vetivety dia niparitaka tao anatin’izany tambajotra izany ny sarin’ireo mpangalatra, ka mora tamin’ireo mpitandro filaminana ny nisambotra azy. Nioty ny efa masaka sisa nataon’izy ireo. Misimisia ny toy izany …

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici