Raha reraka nanenjka ity mpangalatra ity ny mponina tao amin’ny fokontany Nahavotra, eto amin’ny kaominina Antsiranana renivohitra , dia niakatra ny hatezerany. Nodorana tamin’ny fandravahana pneu ilay olona dia nodorana amin’izay. Araka ny voalaza dia efa mpangalatra, mpamaky trano nambesan’ny maro ity tovolahy tokony 35 taona ity. Na dia teo aza ny fiantsoana polisy nataon’ny sasany dia efa maty izy no tratran’izy ireo ary ny famonoana ny afo sisa no nataony. Hatramin’izao dia tsy misy olona mahafantatra azy mazava fa i Din no fahafantaran’ny maro azy. Ny fanadihadiana no nahafantarana vaovao ihany koa fa olona avy any amin’ny faritra SOFIA izy ka mila ravinahitra aty Antsiranana. Tamin’ny zoma teo no efa nandrasan’ny fokonolona izy, saingy tsy tratra. Nanao fiambenana koa ny alina saingy tsy tonga izy, fa nafindrany antoandro ny fanaovana io asa ratsiny io. Nanao fiambenana ny fokonolona dia omaly no nahatratrarana azy izao, ka niafara amin’ny fanalana ny ainy izao.
Tsy miteny marina ny maty.
Tsy misy olona na iray amin’io fokontany io afaka manazava ny tena fandehan’ny raharaha fa samy manilika andraikitra avokoa. Ilay maty anefa tsy afaka manazava na manda izany. Ny fanadihadiana ataon’ny polisy ihany no afaka hamaritra ny mety ho fahamarinana. Na dia efa nisy aza ny fanambarana nataon’ny mpitondra fanjakana tamin’ny raharaha nitranga tany Nosy be dia mbola misy ihany sahy manao izay fitsaram-bahoaka izany. Ny vahoaka ve efa tsy matoky ny fanjakana sa ny olona koa efa tia handrakandrana ?
Harahintsika akaiky ity raharaha ity.
V.JCL