Ny basy nirefotra teny an-toerana no nanaitra ireo mponina sy ireo mpanjifa tao amin’ny banky iray tetsy Itaosy, omaly maraina. Tovolahy iray handeha hanatitra vola tao amin’io banky io no voatafika. Soa ihany fa tonga aloha ny mpitandro filaminana.
Raha ny angom-baovao azo dia tokony ho tamin’ny sivy ora teo ho eo no nitranga ity fanafihana ity, teo an-tokotan’io banky io. Ny alatsinainy maraina tokoa mantsy dia mazàna, maro ireo mpandraharaha sy mpivarotra no manatitra ny vola azony nandritra ny herinandro any amin’ny bankin’izy ireo tsirairay. Ankevitry ny efa fantapantatr’ireto olon-dratsy roa lahy izany teny amin’iny faritra Itaosy iny. Nandrasan’izy ireo teo amin’ny toeram-piantsonan’ilay banky mantsy ny fiavin’ity tovolahy nitondra baoritra. Baoritra izay mazava ho azy fa feno vola. Raha mbola variana nametraka ny môtô-ny ilay tovolahy dia nanatonan’izy roa lahy ireto avy hatrany, izay marihana ihany koa fa nitondra môtô. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia ilay baoritra teny an-tanany no nosintomin’izy ireo. Na dia tampoka tamin’ilay tovolahy aza izany dia tsy nanaiky lembenana izy fa dia niady hatramin’ny farany, niaro ilay baoritra feno vola. Tamin’izay indrindra anefa no namoaka basy ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary tsy nisalasala nitifitra ny tanan’ilay tovolahy nitazona ilay baoritra. Soa ihany fa nisolifatra ilay bala ka naratra kely fotsiny ity farany. Izany feom-basy nanakoako izany no nanaitra ireo pôlisy tsy lavitra teo, ary namonjy avy hatrany. Vantany vao nahatazana ireto mpitandro filaminana moa ireo olon-dratsy dia nanao tsoa-pe sy tongotra an-katoka, namela ilay tovolahy sy ny baoritra nisy ilay vola. Niezaka nanenjika ihany moa ireo mpitandro filaminana saingy efa vetivety teo dia nanjavona izy ireo. Taorian’io moa dia vita ihany ny fandrotsahana ilay vola natao tsara ambina ary nentina notsaboina ilay naratra. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy roa lahy.
m.L