- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Sera » amin’ny Facebook : Lehilahy voasoloky 38 tapitrisa tamin’ny fividianana...

« Sera » amin’ny Facebook : Lehilahy voasoloky 38 tapitrisa tamin’ny fividianana fiara

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Lehilahy iray no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny Fitsarana ny 16 martsa lasa teo noho ny fisolokiana tamin’ny fivarotana fiara tamin’ny alalan’ny facebook. Nanao filazana na « publication » famarotana fiara amin’ity tambajotran-tserasera ity ny tenany fa manana fiara Crafter amidy. Raitra tokoa ilay fiara ka nahababo olona iray avy any Ambositra. Rehefa nandeha ny fifanarahana raikitra fa 45 000 000 ariary no ividianana ilay fiara. Ho antoka dia nitaky vodiondrim-barotra 38 000 000 ariary ilay mpivarotra ary tamin’ny facebook hatrany no nanaovana izany rehetra izany. Mazava ho azy fa noho ny fahalavitan’ny toerana dia tsy afaka nahita mivantana ilay fiara ilay mpividy fa dia sary no alefa. Rehefa tonga anefa ny fotoana nifanarahana fa hijerevana ilay fiara dia nanjavona tsy hita popoka ilay mpivarotra na dia efa nandray « avance » be dia be aza. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) Anosy ilay mpividy. Nanomboka teo ny famotorona sy ny fitsirihana ka nahatratrarana ity mpisoloky ity tao amin’ny adiresin’ny trano ipetrahany ihany ny 13 martsa lasa teo teto Antananarivo. . Niaiky tanteraka ny heloka vitany ity farany ity ary nanambara fa tsy misy akory io fiara nolazainy fa amidy teo amin’ny Facebook io fa nataony hakana vola amin’izay tratrany fotsiny ihany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici