- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vaky trano sy fanendahana, 7 mianadahy voasambotry ny polisy

Antsirabe : Vaky trano sy fanendahana, 7 mianadahy voasambotry ny polisy

Nirongatra ny vaky trano  sy fanendahana teto Antsirabe tato ho ato izay. Nahatratra fito ny taratasy fitarainana voaray tao amin’ny polisy hatramin’ny herinandro ambony araky ny vaovao voaray. Nisy ny hetsika manokana natao izay tsy mivoana amin’ny tanjona apetraky ny ministeran’ny filaminam-bahoaka. Isan’izany ny fanakaikaizana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana ny polisy eny ifotony mba hahazoana vokatra tsara. Ankoatra izay ny fiaraha miasa amin’ny fanomezana loharanom-baovao mahakasika ireo jiolahy mirenireny eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Nahitam-bokany izany satria jiolahy iray no vosambotra rehefa naraha maso akaiky. Tratra ambody omby  teo ampamakiana fivarotana iray tao Antsenakely ranamana. Ankoatra izay fito mianadahy no vosambotra tamina resaka vaky trano maromaro teto Antsirabe sy ny manodidina. Miandahy miambavy izy ireo no manao ity asa ratsy ity, mandray anjara mivantana amin’ny fitanterana, fanafenana ary famarotana  ny entana halatra ny vadin’ireo jiolahy voasambotra ireo ka tsy ho afa bela amin’ity raharaha ity. Entana maro noho izany no sarona niaraka tamin’ireto jiolahy voasambotra ireto, efa nisy no naverina tamin’ny tompony, mbola maro kosa no tavela ao amin’ny polisy miandry ireo tompony haka azy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici