Loza, tena loza, ity nitranga tao amin’ny fokontany Analakininina hopitaly be ny maraim-ben’ny talata 19 marsa tokony tamin’ny 03ora maraina ity; satria tovolahy iray voaroaka tamin’ny asany no sahy namono olona noho ny fiarovany sy fitiavany ny asany. Nisy mantsy ny tsy fifanarahana teo amin’ny mpampiasa azy sy ity tovolahy izay mpila ravinahitra teto Toamasina ity, izay nanaovany mpamily mpanampy tao amin’ity fianakaviana ity hatramin’ny taom-pihotazana lodsia farany teo, ary raha ny vaovao dia tao amin’ireto fianakaviana ireto ihany izy no nipetraka hatramin’izay ka hatramin’izao nanaovany loza be izao. Tezitra sy nohazonina ho lolom-po tao aminy ny fanalana azy tamin’ny asany na mbola nihantra azy aza ireto fianakaviana ireto aloha nitoerany alohany ahitany asa vaovao indray ahafahany mamelon-tena, saingy raha hainy fa tsy tao an-trano ny mpampiasa azy fa ilay ramatoa sy ny zanany vao 04 taona ihany no tao dia navoakan’ity tovolahy ity amin’izao ny lolom-pony, ka nakany hazo sy antsy ary « fouchette » izy mianaka tao an-trano ary nodarohany tamin’ny hazo sy notsatohany antsy sy « fourchette ». Nitsoaka izy taorian’izay tsy nanenjika azy ny fokonolona fa niezaka ny nitondra azy mianaka naratra be ireto teny amin’ny hopitaly hahazo ny fitsaboana azy, nefa tsy naha-tana ny ain’ilay zaza 04 taona izany, raha mbola tsaboana kosa miady amin’ny fahafatesana ilay ramatoa naratra mafy izay bevohoka izy izao naratra mafy izao. Manana ny momba momba ity mpiasa tao aminy ity moa ny mpampiasa azy ka efa manomboka ny fikarohan’ity tovolahy sahy namono nahafaty ny vady aman-janaky ny mpampiasa azy ity, noho ny fahatezerana tamin’ny fandroahana tamin’ny asany azony.
Malala Didier