- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Nisy namono tena, nitsoraka tao Sisaony

Ampitatafika : Nisy namono tena, nitsoraka tao Sisaony

Vehivavy iray izay 30 taona no tapa-kevitry ny namoy fo. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina izy no nitsoraka tao amin’ny reniranon’i Sisaony izay mifanandrify amin’Ampitatafika. Hitan’ny olona izay saingy vetivety dia lasa alavitra ny vatany noho ny rano izay maherihery amin’izao fahavaratra izao. Vetivety ihany koa dia naharay ny antso mifandraika amin’izany ny mpamonjy voina. Natao ny fikarohana rehetra saingy tsy hita raha tsy adiny roa mahery taty aoriana. Manodidina ny mitataovonona no hita ilay razana taorian’ny fikarohan’ny mpamonjy voina. Raha araka ny fanazavana voalohany dia misy aretina mitaiza ity ramatoa ity ary misy fanafody izay tokony hohaniny isan’andro. Tato ho ato anefa dia tsy nataony izany ary azo heverina fa misy hifandraisany amin’ilay famoizam-po.

nangonin’i D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici