- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivobe : Mpianaka mpividy hita faty, efa taolana sisa

Fenoarivobe : Mpianaka mpividy hita faty, efa taolana sisa

Efa am-bolana maro izy ireo no tsy nahenoam-baovao intsony. Ny alatsinainy teo no hita, efa taolana mangilam-potsy sisa tanin’ny andro, ilay rainy sy ny zanany, tao amin’ny fokontany Ambalarano, distrikan’i Fenoarivobe.

Avy any amin’iny faritra Miarinarivo iny no fiavian’ireto mpianaka ireto, raha ny angom-baovao azo.  Resaka fividianana sy famarotana volamena no ataon’izy ireo anton’asa. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia efa fanaon’izy mianaka ireto ny mivezivezy any amin’iny faritra iny: miala eo Miarinarivo ary mankany Fenoarivobe, mandeha mividy volamena. Herinandro maromaro foana izy ireo no any amin’ny dia alehany ary saingy kosa, mifandray tsy tapaka amin’ireo fianakaviana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia efa ho andro maromaro, eny amam-bolana mihitsy no tsy hita maty, tsy re velona izy ireo, raha hoe handeha hitady volamena tany Fenoarivobe. Nanomboka teo ny ahiahian’ny fianakaviana izay nampilaza ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Ny alatsinainy hariva teo, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tany ho any dia nisy nampilaza ireo zandary tany an-toerana fa misy fatin’olona roa mitsirara, tanaty kirihatra iray manalavitra ny arabe. Faty izay zara raha misy hamantarana azy, satria efa saika nihintsana avokoa ny nofony. Efa zary taolana aza sisa ny ampahany sasany amin’ny faritry ny vatany. Ny fitafiana sisa no namantarana fa ireo mpianaka avy any Miarinarivo handeha hividy volamena izy ireo. Efa natolotra ny fianakaviana moa ny razana ary efa nandray ny andraikiny avy amin’ny fitadiavana izay nahavanon-doza ireo zandary any amin’iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici