Vao tsy maizina akory ny andro dia efa raikitra ny sinto-mahery sy ny asa fanendahana. Izany no nitranga tetsy Ambohitsoa-Ivanja ny harivan’ny talata teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva. Ramatoa iray handeha hamonjy tokantrano no nataon’ireo roa na telo lahy lasibatra. Lasa tamin’izany ny vola an-tapitrisany sy ny karatry ny banky ary taratasy fanamarinana maro. Tsy lasa lavitra akory ireo jiolahy fa tetsy ambonimbony kely dia nijanona ary nizara vola dia avy eo nentina nirevy tao amin’ilay bar ihany izay azo. Tonga teny ny polisy rehefa nisy nampandre. Vetivety anefa dia tafaporitsaka avokoa ireo olon-dratsy izay hay efa misy mpitsikilony manodidina ilay Bar. Mitaintaina ny olona satria efa manomboka mamely an-tanàna ireo jiolahy. Rehefa natao mantsy ny fanamarinana dia olona eo amin’ny manodidina ihany no tompon’antoka amin’ny fanendahana eo an-toerana. Mila manao fisafoana matetika ny polisy satria mainka mirongatra ity asan-jiolahy ity raha toa ka tsy voafehy haingana. Fokontany efa nilamina anefa Ambohitsoa-Ivanja tao anatin’ny taona vitsivitsy izay raha tanànan’ny mpanao kidnapping no nahafantarana azy tany aloha tany.
D.R