Tsy asan-dahalo, izany hoe tsy halatra omby no nitranga fa fanafihana kosa. Orinasa izay misahana ny fiompiana « concombres de mer » izay antsoina hoe zanga no notafihan’ireo enim-polo lahy mitam-basy. Ny alin’ny alarobia teo, manodidina ny tamin’ny valo ora, no raikitra ny fandrobana. Nobatain’ireo olon-dratsy tao ireo zanga izay efa ho 23 gony. Tao anatin’izany rehetra izany no nahazo fampandrenesana ny zandary izay tonga haingana teo amin’ilay toerana, fokontany Ankilibe, Saint-Augustin ao Toliara faharoa. Tsy nampihemotra an’ireo jiolahy izay toa efa vonona ny hiady izany. Raikitra arak’izany ny fifampitifirana izay niafara tamin’ny fahafatesan’ny enina tamin’ireo mpandroba. Nahita izany rà nandriaka izany vao nihorohoro sy nanapa-kevitra nitsoaka ireo olon-dratsy ambiny. Nisy koa telo voasambotra ka zazavavy ny iray tamin’izany. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany izy ireo mba hahafahana mamantatra ny namany hafa izay niray tsikombakomba tamin’ny fandrobana. Raha ny tatitry ny zandary, dia fihantsiana azy ireo mihitsy no nitranga ankoatry ny fanafihana. Vao nahita ireo mpitandro ny filaminana tonga teo an-toerana mantsy ireo enim-polo lahy, avy hatrany dia nitifitra tsy an-kijanona. Fantatra fa basim-borona sy poleta maro no nampiasan’ireo mpanafika ireo ny alin’ny alarobia . Inona indray no nanintona ireo andian-jiolahy ireto ka nandrobana toerana fiompiana zanga, biby izay tsy fihinana eto amintsika ity ? Nosokajiana ho biby tsy azo hanina ny zanga hatrizay, satria misy poizina (toxine) ao anatiny. Tsy nampihemotra ny Aziatika anefa izany amin’ny fisamborana azy mba hatao sakafo mafilotra. Tsy misy afa-tsy ireo ihany matetika no tena voasintona amin’ity karazam-biby ity, ary tokony hanampy betsaka amin’ny fanadihadiana izay mandeha ny fandavahana izany mba hahafantarana izay mety ho tao ambadiky ny fanafihana.
D.R