- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Rangahy nikasa haka ankeriny zaza, vosambotry ny polisy

Faratsiho : Rangahy nikasa haka ankeriny zaza, vosambotry ny polisy

Lehilahy lehibe iray nikasa haka an-keriny zaza no efa any am-ponja aminin’izao fotoana manefa ny saziny. Nikasa haka an-keriny zaza ilay rangahy, saingy tsy nahatanteraka ny fikasan-dratsiny. Niaraka tamin’ny reniny ho any an-tsaha ilay zaza no avy hatrany ity rangahy  nisontona azy tamin-kery. Voatazon’ilay reniny anefa ny zanany  sady niantso vonjy ilay ramatoa. Nitsoaka nandositra nifanenjehan’ny fokonolona  ilay rangahy, saingy tafaporitsaka. Tadidin’ilay ramatoa anefa ny endriny ary fotoana elaela taty aoriana dia hitany  nivezivezy tao Faratsiho indray  ilay rangahy. Nampandre ny mpitandro filaminana ity farany ary niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany. Teo am-pijerena video no sarona ilay rangahy ary tsy afa nitsoaka intsony. Ny fanadihadiana no nahafantarana, fa hay raikelin’ilay zaza nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao Faravohitra tamin’ny taona lasa ity rangahy nikasa haka an-keriny ity. Ahiahian’ny mponina ho isan’ny nahavanon-doza tamin’ny nahafaty ilay zaza noho izany ity rangahy ity. Raha tsiahivina fohy, dia hita faty tao Faravohitra ny zazalahy kely iray tao Faratsiho rehefa tsy hita nandritra ny andro elaela, mpiandry omby no nahita ny razana tapa-tenda teny an-tsaha.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici