Mirongatra ny vaky trano ao amin’ny fokontany Mahazoarivo sy ny manodidina, toeram-pivarotana zava-pisotro iray indray no nisy namaky. Ny alin’ny talala hifoha alarobia no nitrangan’ny vaky trano, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina tany ho any, raha ny filazan’ny olona teny amin’ny manodidina. Tapitra noraofin’ireo mpamaky trano avokoa rehefa entana, isan’izany ny zava-pisotro, ny entana tao an-trano toy ny fahitalavitra, finday …sns. Ny nahagaga dia ny nahafantaran’ireo jiolahy fa hanao “versement” ny tompon’ny bar talohan’ny fanafihana ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola manodidina ny 2 tapitrisa ariary. Ao ambony rihan’ilay fivarotana ny tompon-trano no mipetraka sy matory, saingy tsy nisy nahare na inona na inona, inoana fa nampiasa fonoka ireo olon-dratsy. Ankoatra izay varavaram-by no nopoirin’ireo jiolahy , ary teo izy no niditra sy namoaka ny entana.
Notaomin’ireo jiolahy tsy dia nifanalavitra loatra tamin’ ilay fivarotana novakiany ny entana. Teo am-pitaoamana ireo entana ireo ry zalahy no nisy nahatsikaritra ka nifampiantso ny manodidina. Raikitra ny fanenjehana ka jiolahy iray no voasambotra izay marihina fa mpitondra posy miasa amin’ny alina. Nisy ampahany tamin’ny entana no tavela teo amin’ny sisin-dalana ka efa tafaverina amin’ny tompony.
Isan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy amin’iny faritra Mahazoarivo iny, ny fahamaizinan’ny lalana, tsy misy mantsy na dia andrin-jiro iray aza mirehitra ankoatra ireo manoloana ny tranon’ny mpamongady eny an-toerana. Ambetin-dresaky ny mponina ny hoe ny fokontany ve no tsy manao ny asany sa ny ho enti-manana no tsy misy?
Andry N.