Sarona nandritra ny fisavana natao tamin’ny lalam-pirenena faha-34 ny karazana vato telo samihafa. Voasokajy ho harem-pirenena ireto vato sarona ireto, izay ilaina taratasy fahazoan-dalana ny mitrandraka sy ny fitondrana azy. Vomarina anefa tsy nisy taratasy mazava ireo vato ireo raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Ny fiandohan’ny volana martsa no fantatra fa nahatrarana fiara iray nitondra vato « christal » milanja 35 kg tsy nisy taratasy, ankoatra izay vato « calcite » 400kg no sarona taorian’io. Ny 12 Martsa lasa teo mbola sarona ihany koa ny fiara iray nitondra « quartz fumé » milanja 10 taonina samy tsy nisy taratasy mazava avokoa ireo vato ireo ka voatery nogiazana. Raha ny fanazavana, dia efa eo an-tànan’ny sampandraharaha misahana ny harena an-kibon’ny tany eto Vakinankaratra ireo vato ireo.
Andry N.