Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny miaramila aty amin’ny faritra Betsiboka. Jiolahy iray indray no maty voatifitra tany Bevilany, rehefa nokarohana sy nifampitadiavana nandritra ny telopolo taona makaty. Mpanao fakana an-keriny sy raindahiny amin’ny halatra omby sy vono olona ary fanafihana i « Towiby. » Tratra tao amin’ny fokontany Bevilany, any amin’ny kaominina Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna izy. Rehefa nahazoana loharanom-baovao marimpototra avy amin’ny fokonolona ny miaramila mpampandry tany, dia nanaovana sarika am-pandriana vao maraimbe tamin’io toerana io, ka nahafahana nisambotra azy. Tsara ny manamarika fa rehefa nasaina nanoro ny namany izy, dia mbola nandositra ihany. Nanao tifitra fampitandremana moa ny mpitandro ny filaminana. Teo anatrehan’izany tsy nanaiky nijanona izy fa nanohy ny diany hatrany. Noho izany dia voatery nitifitra nikendry azy ny mpitandro ny filaminana. Maty tsy tra-drano teo ny tenany. Ny namany kosa mbola hanaovana fikarohana, raha ny angom-baovao voaranay hatrany. Tsara no ahalalana fa anisan’ny nampikaika ny mponina ato anatin’ny faritra Betsiboka i Towiby.
Ratantely