- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo atsinanana : Tokantranona « candidat deputé », nisy nitoraka cocktail molotov

Fenerivo atsinanana : Tokantranona « candidat deputé », nisy nitoraka cocktail molotov

Raha maty novonoina andian’olona naka an-keriny azy ilay kandida solombavambahoaka tao Tsaratanàna, dia nisy nitoraka “Cocktail Molotov” koa ny zoma hariva tokony tamin’ny 7ora sy 20min ny kandidà solombavambahoaka ao Fenerivo atsinanana Atoa Inné Marodady. Raha ny fanazavana dia nivahiny tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray ao Fenerivo atsinanana ity kandida ity nampahafantatra ny momba momba azy sy ny ekipany, saingy nandritra izy nivahiny tao amin’ity onjam-peo tsy miankina ity dia nisy zavatra nipoaka mafy tao anoloan’ny tranony tao Amparatagnana Fenerivo atsinanana araka ny fanazavan’ny fianakaviany sy ny mponina manodidina azy. Raha vao nitranga izany dia nampandre ity kandida solombavambahoaka ity ny fianakaviany, ary raha nahare ny vaovao izy dia niantso ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nitranga. Teo no tena nahalalana fa “Cocktail Molotov” ity nisy nanipy teo an-tokontanin’ity kandida solombavambahoaka ity, saingy na nipoaka mafy aza ilay izy dia niteraka kosa firehetana tamin’ny tranony na nanimba zavatra maro teo an-tokontany aza. Ho an’i Inné Marodady dia hetraketraka amin’ny maha-kandida solombavambahoaka azy izao, satria efa betsaka ireo mpiara-dia amin’ny mpifanina aminy no tsy faly tamin’ny filatsahany ho depiote izao; nefa ho azy dia miroso hatrany ny Dia satria efa safidy te-hitondra ny anjara birikiny amin’ny andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara ny tenany, taorian’ny naha-mpiara-miasa aminy tamin’ny fampandrosoana ny faritra Analanjirofo. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha izao, efa nametraka fitoriana olon-tsy fantatra ihany koa i Inné marodady taorian’ny nahazo azy, ho hita eo ny tohiny sy ny marina momba izao raharaha tao Fenerivo atsinanana izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici