- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMenabe : Fankalazana ny andro manerantany ho an’ny rano

Menabe : Fankalazana ny andro manerantany ho an’ny rano

Ny kaominina ambonivohitr’i Morondava no voahosotra ho kaominina mendrika.

Ny kaominina ambonivohitry Morondava no voahosotra ho kaominina Mendrika Salama Mihabo. Izany no fantatra nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny rano; izay natao tao amin’ny renivohitry Menabe.

Hetsika nokarakarain’ireo mpiara-miombon’antoka momba ny rano sy ny fidiovana ka nampitrondraina ny lohahevitra hoe “Na iza inao, na iza ianao mila rano”. Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana tamin’ny fifaninanana tokatrano modely, amin’ny fitaizana zaza latsaky ny 5 taona, ny fikarakarana ny vehivavy mitondra vohoka. Tsy latsa-danja ihany koa ireo ezaka nataon’ireo mpanentana fahasalamana eny ifotony sy ho an’ireo toby isam-pokontany ka notolorana fitaovana ihany koa, toy fitaovam-pandanjana zaza, “machine à calculer,trousses, classeurs, cahiers, bidons, sns…”

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici